"Fiangonana FJKM
ANOSIMANJAKA HO AN'I KRISTY "

FIZAHANA TAKELAKA:
- Takelaka Fandraisana
- Hafatry ny Mpitandrina
- Tantaran'ny Fiangonana
- Ireo Daty Malaza
- Perikopa
- Ireo Mpitandrina nifandimby
- Ny Mpitandrina am-perin'asa
- Dinika Batisa sy Mariazy
- Soritr'Asan'ny
Fiangonana
- Torohevitra
- Filazana vaovao |
Miarahaba anao notahian'Andriamanitra ka tonga mitsidika ity Tranon-kalam-pifandraisana ity.
Isaorana indrindra Andriamanitra nanome antsika ity
Trano-kalam-pifandraisana ity, mba hahafahantsika Zanam-piangonana miely eran-tany manaraka ny vaovao tsara ho fantatra aty an-tanindrazana; ho hita ato ihany koa ny
Tantaram-piangonana sy ny hafa rehetra mety hahaliana momba ny Fiangonana FJKM Anosimanjaka ho an'i Kristy. Koa manasa anao am-panajana
ary tompoko hijery izany am-paharetana !
"Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao amin'ny andro rehetra hiainanao." (Salamo 128:5) .
Ohabolana
« Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. » (Ohabolana 10:29)
« Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany. » (Ohabolana 14:15)
« Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. » (Ohabolana 15:10)
« Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. » (Ohabolana 16:3)
|
 |
Fanoroan-toerana
Elanelan-toerana 12Km eo ho eo no mampisaraka ny Fiangonana FJKM Anosimanjaka ho an'i Kristy amin'ny
tananan'Antananarivo Renivohitra. Eo afovoan-tananan' Anosimanjaka, izay tanana kely iray eo andrefan' Ambohitrimanjaka,Commune Ambohitrimanjaka Distrikan' Ambohidratrimo
no miorina ity Fiangonana ity.
Raha ho any Anosimanjaka ianao dia tsarovy fa eo amin'ny Tsena fivarotana taozavatra malagasy(ART MALAGASY)-route digue no mitsofoka miankandrefana mihazo an'
Anosimanjaka. .
Eo amin'ny 67Ha ampitan'ny immeuble "NY HAVANA" kosa no ahitana ireo fiara taxi-brousse mpitatitra mankany Ambohitrimanjaka sy Anosimanjaka.
|
Tanàna Anosimanjaka tazanin-davitra avy andrefana
 |
 |
Matokia an'Andriamanitra
“Tsy azoko mihitsy ! Tena tsy rariny ! Raha misy marina Andriamanitra dia tsy namela izao zavatra izao hitranga!” Izany no nolazain’I Lila izay tovovavy iray
rehefa maty tampoka ireo ray aman-dreniny… Marina tokoa fa misy toe-javatra mampalahelo maro toy izany mitranga eto ambonin’ity tany ity ary tsy ity tovovavy kely ity
irery ihany no manontany tena ny amin’ny fahamarinana sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra ; eny hatramin’ny fisiany koa aza. Raha mieritreritra toy izany anefa
isika dia toy ny mihevitra fa mitovy amintsika ihany Andriamanitra . Tsy izany anefa fa Andriamanitra dia Andriamanitra , Mpanjaka masi-mandidy ka ny olona noforoniny tsy mahazo
manao ampamoaka ny Mpanao azy. Moa tokoa ve tsy isika olombelona , dia izaho sy ianao no mbola hampamoahan’io ilay Andriamanitra fitiavana io, raha nandà ny Zanany
Lahitokana izay nirahiny; ka nanombo Azy tamin’ny hazofijaliana ? Inona kosa anefa no navalin’Andriamanitra izany fankahalana sy tsy rariny izany? “Andriamanitra
mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5.8). “Efa naharihary ny fahamarinana avy
amin’Andriamanitra … mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’I Jesosy” (Romana 3. 21, 26). Noho izany na dia mampandalo
fizahan-toetra mahamay amintsika aza Andriamanitra ka tsy azontsika velively izay zavatra kendreny, dia aoka isika tsy hanome tsiny Azy fa hatoky Azy kosa. Fantany izay ataony, fa
ny tanjony dia ny hahatongavantsika ao amin’ny fahasambarana mandrakizay.
Ho hitanao miandalana eto ireo sary Tsangambato Fahatsiarovana
|
Ny adiresy e-mail 'ny Fiangonana:
fjkmanosimanjaka@gmail.com
Tsindrio eto
|

|