FIANGONANA FJKM ANOSIMANJAKA HO AN'I KRISTY

"Fiangonana FJKM
ANOSIMANJAKA HO AN'I KRISTY "


Synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10)

Partenaires : compteur gratuit

TANTARAN'NY FIANGONANA

Tahatahaka izao indray kosa ny Tantaran'ny Fiangonana
raha somary nofintinina ho fohifohy kokoa :



(nangonin-dRamatoakely RAVELOARIELINTSOA Hantaseheno)
Araka ny tantara dia Andriantsimitoviaminadriandehibe rahalahin'Andriamanjakatokana izay nanjaka tao Ambohitrimanjaka no niteraka roalahy, dia Andrianjakanavalondambo sy Razakatsitakatrandriana.
Io Andrianjakanavalondambo io no niova anarana ho Andriamasinavalona rehefa tonga teo amin'ny fanjakany.
Rehefa nanjaka ary Andriamasinavalona, dia nikaroka olona manan-tsaina izy mba halefany ho aty Aminampanga (Anosimanjaka).
Aminampanga moa dia nosy kely eo andrefan'Ambohitrimanjaka, Antehiroka no mponina tao tamin'izany.
Tanin'Andriamanjakatokana izy noho izany. Rehefa nandinika ary Andriamasinavalona dia Andriamahozombe no lehilahy mahery fo sady manan-tsaina halefa ho aty Aminampanga.
Rehefa tafaverina ary Andriamahozombe ka nilaza fa vita ny firaharahana ny amin'ilay nosy andrefan'
Ambohitrimanjaka, ka mora foana ny hitily sy hahazoana ny mponina fehezin'Andriamanjakatokana dia tapa-kevitra Andriamasinavalona fa ny zanany vavy Ranavalotsimitoviaminandriana no halefa hanjaka amin'io Nosy kely io.
Niainga ary Ranavalotsimitoviaminadriana sy Andriamahozombe mba hankaty Aminampanga. Zahatra voaravaka tantamo no notaingenan'izy ireo tamin'izany. Raha vao tazan' ireo mpitilin'Andriamanjakatokana anefa izy ireo, dia nandefa iraka ireo mba hanontany ny antondiany.
Andriamahozombe no namaly izany ka nanao hoe: " Lazao amin'Andriamanjakatokana, fa ao Tafohasina izy ka tsy azon'olona hidirana. Ny azy Vohitra Manjaka, ny anay atao hoe: Nosy Manjaka. Ambarao azy fa tonga eto hanjaka amin'ity Nosy ity, hono, Ranavalotsimitoviaminandriana, zanak'Andriamasinavalona, zana-drahalahinao hoe! Zafikelinao, hono, no tonga ao fa tsy olon-kafa akory hoe!"
Nanomboka teo ary no nahatonga an'i Aminampanga ho Anosimanjaka. Io tenin'Andriamahozombe hoe "Nosy Manjaka" io no niantsoan-dRanavalotsimitoviaminadriana azy hoe: "Anosimanjaka".
Tamin'ny taona 1867 ary rehefa nandroso be ny fivavahana kristiana izay nandroso dia nandroso tokoa hatramin'ny andro nanjakan-dRanavalona reniny, nodimbiasan'i Radama II, Rasoherina, Ranavalona II; dia efa niorina koa ny Fiangonana teto Anosimanjaka.
Naorina ho an'ny fianakavian'Andriamasinavalona izy tamin'izany.Koa araka ny tantara, raha fintinina tsotra sady fohy ny fiorenany sy ny fiovaovan'ny Fiangonana Anosimanjaka dia toy izao:

Tamin'ny taona 1867 andron-dRasoherimanjaka dia efa niorina teto Anosimanjaka tao anaty hadivory ny Fiangonana; Ranavalotsimitoviaminandriana zanak'Andriamasinavalona no nampandroso ny fiangonana tamin'izany.

Tamin'ny faramparan'ny taona 1867 dia natao tao an-tranon'olona anankiray izay trano lehibe izay natao ny fivavahana. Nandroso anefa ny fivavahana kristiana teto Anosimanjaka ka tsy antonona intsony io trano io ary dia voatery nanao trano zozoro. Avy eo natao trano tany .

Tamin'ny taona 1868; rehefa nandray ny fanjakana i Ranavalona II, ka nahare ny fandrosoan'ny Kristiana teto Anosimanjaka dia naniraka lehilahy kristiana tamin'ny tandapany izy ho mpitarika. Ramaroanaka no anaran'io lehilahy io.
Nitombo ihany ny kristiana, tsy ampy indray ilay trano Fiangonana ampiantany. Koa dia tapa-kevitra Rambolamanana sy Rahetilahy fa hanome tany malalaka hanorenana trano Fiangonana lehibe eto Anosimanjaka.Tsy aiza izany fa io toerana misy ny sekoly io.

Tamin'ny taona 1881 rehefa hita fa maro dia maro ary nitombo fatratra ny mpivavaka dia tapaka ny hevitra fa hanorina Fiangonana lehibe sy tsara endrika Anosimanjaka, dia ity Fiangonana misy antsika ity izany.
Ny Mpanjaka Ranavalona II no tonga teto Anosimanjaka nanatrika ny fanokanana ny Fiangonana tamin'izany.

Ny taona 1924: Nianjera voalohany ny tilikambo, ka ny antsasany ambony no nianjera tamin'izany. Ny Fiangonana iray manontolo no niara-nientana nanao ny fanarenana izany; ka biriky avy any Andohatanjona no notaomina tamin'ny lakana sy sarety mba hanaovana azy. Ny tarik'i Rainimangavelo sy Ratovelo, Ramanamitovo, Rakotovao, ary Ratsimiratra no tarika nanentana ny olona rehetra tamin'izany.

Ny taona 1941: Natao ny polipitra hitantsika io, ka Itompokolahy Razaka vinanton'Itompokolahy Raveloson no nandrafitra izany.

Ny taona 1947: Nianjera fanindroany ny tilikambo ka Ingahy Rabenoit no nakaramain'ny Fiangonana nandrafitra azy.
Ny taona 1984: Nianjera fanintelony indray ny tilikambo noho ny tafio-drivotra mahery.Nianjera hatramin'ny fotony izy tamin'izany. Itompokolahy Ramanetaka David no nisikim-ponitra nanentana ny Fiangonana iray manontolo mba hanangana izany. Noraisiny an-tanana ny fanatanterahana ny asa ka voatsangana soa aman-tsara indray izany.

Tamin'ny taona 1992 dia mbola nisy ezaka nataon'ny Fiangonana mba hanadiovana sy hanamafisana io tilikambo io.
Marihina fa tamin'ny andro nitandreman'i Pasteur Randriamarosoa Henri dia natao ny valitafo saingy ny daty moa dia ialana tsiny fa tsy fantatra. i Pasteur Randriamarosoa mihitsy niaraka tamin'ireo Diakona maromaro toa an-dry Ratovoarivelo, Rakotovao, Raveloson, Ramanamitovo, Rakotomanga, Rafaralahisoava, ...sns ... no niara-nientana nanao izany asa izany.

Tsy hadinointsika koa ny hahatsiaro etoana fa nanana mahery fo ny Fiangonana, dia tsy iza izany fa Itompokolahy Razafindrainibe izay avy any Ambohimalaza. Izy no nandrafitra ny gorodona iray manontolo hatrany ambony ka hatrany ambany rehetra niaraka tamin'ny rihana.

Ary farany izay tsy azontsika adinoina dia ny nananan'ity Fiangonana ity Maritiora velona.
Raha lasa zanatany Frantsay i Madagasikara tamin'ny taona 1895 dia nasaina nivadim-pinoana ho Katolika ny Protestanta. Raikitra ny fanenjehana tamin'izany ka izay tsy nanaiky dia nofatorana tao Kianja ny teto Anosimanjaka. Saingy tonga i Gustave Mondain ka nanavotra azy ireo; dia tsy iza ireo fa :
      1. Ratovelo sy Rasoazananoro
      2. Ramiarinjatovo sy Razanamasy
      3. Rainitrano sy Rasendra
      4. Rainingodona sy Rafara
      5. Rarivo sy Rasoatantara.

Ny taona 1997 no nankalazaina ny Jobily faha 130 taonan’ny Fiangonana FJKM Anosimanjaka,ka tsangan'asa maro no natao ho fahatsiarovana izany vanim-potoana izany; toy ny fanadiovana ny anaty sy ivelan'ny Fiangonana, fandalorana ciment ny rindrina ivelany, ...sns....

Ny taona 2007 nankalazana ny Jobily faha 140 taonan’ny Fiangonana FJKM Anosimanjaka kosa no nanomboka nitondrany ny anarana hoe : " FJKM Anosimanjaka ho an'i Kristy ".Asa maro ihany koa no napetraky ny Reny Fiangonana niaraka tamin'ny Zanany am-pielezana ho tsangambato ho fahatsiarovana izany vanim-potoana izany, toy ny wc manara-penitra ,fanaovana tamboho manodidina ny faritry ny Fiangonana, fanovàna ny gorodona hazo hanjary ho carreaux,...sns... "


Fahatsiarovana Ny Past Randriamarosoa Henri          Tsangambaton'ny 140 taona


 - Page d'Accueil -